1 Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Salamo nataon'i Asafa. Tonon-kira. Hisaoranay Hianao, Andriamanitra ; eny, hisaoranay Hianao; fa akaiky ny anaranao; mitory ny fahagagana ataonao ny olona.

2 Fa ho avy tokoa amin'ny fotoana Aho; eny, Izaho no hitsara marina.

3 Mihorohoro ny tany sy ny mponina rehetra eo aminy, nefa Izaho no nanorina ny andriny.

4 Hoy izaho tamin'ny mpirehareha: aza mirehareha*, ary tamin'ny ratsy fanahy: aza manandra-tandroka;[Na: Hoy izaho tamin'ny adala: Aza manao adala]

5 Aza manandratra ny tandrokareo ho avo; ary aza miteny sahisahy amin'ny fahamafian-katoka.

6 Fa tsy avy any atsinanana, na avy any andrefana, na avy any atsimo, ny fisandratana*.[Na: Na avy amin'ny efitra ny tendrombohitra no ihavian'ny fitsarana]

7 Fa Andriamanitra no Mpitsara; mampietry ny anankiray Izy ary manandratra ny anankiray kosa.

8 Fa misy kapoaka eo an-tnan'i Jehovah, feno divay mandroatra* miharoharo zavatra iny, ka ampisotroany; eny, ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany dia hitroka ny faikany.[Na: mena]

9 Fa izaho hanambara izany mandrakizay, ka hankalaza an'Andriamanitr'i Jakoba.

10 Ary ny tandroky ny ratsy fanahy rehetra hotapahiko; fa ny tandroky ny marina kosa no hasandratra.
